TENY FANOLORANA

TENY FANOLORANA

Pasteur Rasolonomenjanahary RobertPrésident IOUC9 juin 2021, 18:07

Ry rahalahy sy anabavy malala mpiray fanantenana ao amin’ny Tompo ,

Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo !

Faly miarahaba antsika rehetra indray ny tenako amin’ny alalan’ity « Gazety Faneva » ity.

Tsy manasatra ahy ny mampahatsiahy fa isika dia vahoaka manokana , nomena hafatra manokana , ho amin’ny vanim-potoana manokana ! Koa ny antom-pisian’ny fiangonana dia ny hitory ny hafatry ny anjely telo amin’ny olona rehetra amin’izao andro farany izao ! Hafatra voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 14 : 6-12.

Marihina manokana fa hafatry ny Filazantsara izany hafatra izany ! Aoka ary ny tsirairay handinika sy handalina hatrany izany hafatra izany , handray izany ho an’ny tenany ary hizara izany amin’ny mpiara-belona amintsika !

Aza hadino koa anefa fa manam-pahavalo isika ary tsy mitazam-potsiny izy fa manao izay fomba rehetra hisakanana anao tsy handray ny hafatra , hisakana anao tsy hizara ny hafatra, koa aoka samy hitondra izany amim-bavaka isika fa Ilay Tompon’ny Asa no Kapiteninsika ary tsy mbola resy an’ady na oviana na oviana Izy . Mariho fa arakaraka ny hanatonantsika ny farany dia manao sesi-lany ny olana eo amin’ny isam-batan’olona , eo amin’ny isam-pianakaviana , eo amin’ny isam-piangonana , eny eo amin’ny isam-pirenena aza ! Tadidio hatrany fa antso miantefa amintsika hanana fiainam-bavaka matotra kokoa ireny rehetra ireny . Antso tonga amintsika hanao fanandramana hampitombo ny fahatokiantsika Ilay Mpamonjintsika izay niteny hoe : « aza matahotra ! » , « Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao . »

Izao no voalazan’ny Fanahin’ny Faminaniana ao amin’ny boky « Evangéliser » ao amin’ny pejy faha-21 :

« Tonga amintsika rehetra izay velona amin’ny faran’ny tantaran’ity tany ity ny tenin’i Jesosy Kristy manao hoe : « Ary raha vao miandoha izany zavatra izany ,dia miandrandrà , ka asandrato ny lohanareo fa manakaiky ny fanavotana anareo. » Mikorontana ny firenena maro. Velona amin’ny vanim-potoana voamariky ny fahaverezan-kevitra isika . Re ny firohondrohon’ny onjan-dranomasina ; reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany ; ireo izay mino ny Zanak’Andriamanitra kosa dia handre ny feony manakoako eo anivon’ny horohoro manao hoe : « Izaho ihany ! Aza matahotra !» …

Homba antsika rehetra anie ny Tompo !