Sampana Tanora

Sampana Tanora

Pasteur Raharijaona HajaSampana Tanora11 juin 2021, 16:16

Ny taona 2021 dia taona manokana teo amin’ny Departemantan’ny Tanora nandraisana am-po ny antso ho tonga mpianatra araka ny fanambarana iraka ka namalian’ny tanora hoe HANDEHA AHO.

Nahafaly ny tanora ny nahafahana indray niverina nilasy na dia nandritra ny fotoana fohy fotsiny aza izany. ( Sary 1) Nanamarika izany ny fanofanana sy famoahana ireo andiany voalohany amin’ireo Filoha mpitarika ny Tanora zokiny fantatra amin’ny anarana hoe (SYL: Senior Youth Leadership). Saika namoaka avokoa ny Federasiona rehetra afa-tsy ireo vitsivitsy tsy afaka nanatanteraka izany nohon’ny fihibohana.

Na dia teo aza ny COVID 19 dia maro ireo tanora nandray anjara tamin’ny GYD 20 (Global Youth Day) na ilay Andron’ny Tanora Maneran-tany ny 20 Martsa. Novoizina tamin’izany ny fiezahana hanatratra ny any ivelany “Reach out: Communities, Cultures, Colors” ireo samihafa kolon-tsaina sy volon-koditra. Ny fanentanana moa dia miantso ny tanora mba ho toriteny amin’ny fotoana rehetra. Io andro io ihany koa no fiantombohan’ny herinandro fiaraha-mivavaka izay nanindriana ny lohahevitra ‘Iraho Aho” ary nofaranana tamin’ny sabata fiverenana ao an-tokantrano.

Mbola mitohy ihany koa ny Ezaka fanatanterahana ny Iraka Mandritra ny Herintaona (One Year in Mission” toerana ambanivohitra ao afovoan’Antananarivo no hanatanterahana izany- Andranomahery/ Ankorondrano- izay anaovana ivon-toerana fampianarana teny anglisy sy informatika ho an’ny tanora. Tao ihany koa no nanolorana lamba firakotra ho an’ireo be antitra.

Nisy ihany koa ny fiofanana notanterahana tamin’ny alàlan’ny Zoom niarahana tamin’ny Pasitora Busi Khumalo, izay voafidy indray hitarika ny tanora eto anivon’ny SID sy ny fampaherezana niarahana tamin’ny Pasitora Pako Mokgwane Mpiara-miasa eo amin’ny fitaleavana ny tanora maneran-tany.

Nisy ihany koa ny fambolen-kazo notanterahana niaraka tamin’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony fantatra amin’ny hoe PCM ( Public Campus Ministries) izay lasa asa fanompoana ao anatin’ny Departemantan’ny Tanora.

Nanokana ihany koa ny fankalazana ny Andron’ny mpisantatra Maneran-tany. Raha efa nahazatra antsika teo amin’ny IOUC izany fankalazana izany dia sambany tamin’ity taona ity nankalaza an’izany maneran-tany. Na dia teo azan ny fihibohana dia maro ireo tanora nandray anjara tamin’ny programa maneran-tany izay nandraisan’ny Mpisantatra ny hafatra fa « Handeha izy ireo miaraka amin’ny Timoty ».

J’ IRAI AVEC MES JEUNES

I WILL GO WITH MY YOUTH

ANDEHA AHO MIARAKA AMIN’IREO TANORAKO