Sampana Fifandraisana

Sampana Fifandraisana

Pasteur Rakotonandrasana RadoSampana Fifandraisana11 juin 2021, 16:18

« HANDEHA AHO »

Toy ny Departemanta rehetra, ny Departemanta Fifandraisana dia nanatanteraka ihany koa ny tetik’asa « Handeha aho » izay iraisana maneran-tany.

Natomboka izany tamin’ny fihaonana fampitàna/fanofanana sy ho fampitoviam-pijery niaraka tamin’ireo Talen’ny Departemantan’ny Fifandraisana tamin’ny alalan’ny « Visio conférence ».

Tsy nijanona teo fa natao ny fitetezana ny Saha nitondra fiofanana sy fampaherezana araka ny Planina Stratejika napetraka, mba hampiasana ny tambazotram-pifandraisana ho fampaherezana, fitoriana ny filazantsara, ary fampitana ireo vaovao tsara ho fantatra. Nahazo tombontsoa tamin’izany ny Distrika Manakara (FMSE) sy ny Distrika ny Diego Ville (FMN).

Nisy ihany ko any fivoriana niarahana tamin’ny Atoa Directeur de Régulation des Médias (DRM, Ministera ny Serasera) izay notronin’ireo Mpitantan’asa IOUC/FMC sy ireo Talen’ny Departementa ny Fifandraisana manerana ny Madagasikara ary ireo Talen’ny Radio Oasis izay tratra antso. Ny tanjona dia nahafahan’Atoa DRM nanazava ny “Lalàna mifehy ny Serasera” sy niresahana ny lafiny maro tsara fantatra mikasika ny Haino vakin-jery.

Noho ny fisian’ny valan’aretina coronavirus anefa dia tsy afaka nanohy intsony ireo asa amin’ny endrika mivantana ny ambaratongam- pitantanana rehetra, nikatona ny faritra maro ary nihidy ihany ko any Fiangonana. Koa ho fampaherezana ny rehetra nefa ihany koa ho fitoriana ny Filazantsara ho an’ny hafa ary fanamafisana ny fampitana ireo tsara ho fantatry ny rehetra, dia nandray anjara mavitrika amin’izany ny Sampana Fifandraisana tamin’ny fampiasana ireo tambazotram-pifandraisana maro toy ny Fahitalavitra, Radio Oasis/ RAF, Tambazotra- tsosialy (Facebook, YouTube…). Hita nanerana ny ranomasim-be Indiana izany asa mivaingana izany, ary etoana dia isaorako ireo Talen’ny Departemanta ny Fifandraisana rehetra nanao ny ainy tsy ho zavatra ary ireo Mpitantan’asa nanohy sy nanoro hevitra.

Isaorana ny Tompo, isaorana ihany koa ny Mpitantan’asa ny IOUC, ireo mpiara-miasa rehetra fa nahazo ny fahazahoan-dalana ny fampiasana ny Logo Hope Channel isika ka ny anarana entintsika dia “Hope Channel OCEAN INDIEN”. Ary niaraka tamin’izany ihany koa ny “Licence” hahafahantsika manatanteraka ny “Televiziona @ Internet”. Ary ankehitriny isika dia mandefa fandaharana Malagasy sy Frantsay any amin’ny “Hope Channel Africa”.

Raha ny Departemanta ny Sekoly Sabata kosa indray dia nisy ny fivoriana fanofanana natao tamin’ny alalan’ny Visio conférence niarahana tamin’ireo Talen’ny Departemanta ny Sekoly Sabata manerana ny IOUC, notronin’ireo Mpitantan’asa ny IOUC sy ny Saha rehetra, ary ireo talen’ny Departemanta isan-karazany, ireo Pasitora ary tomponandraikitry ny Sekoly Sabata eny anivon’ny Fiangonana ny 12 Mai 2021. Nasaina manokana sady nitondra fanofanana ireo Tale’ny Departemanta Sekoly Sabata/MP eo anivon’ny Foibe maneran-tany (Dr Ramon Canals sy Pasteur Jim Howard)


Pasteur Rado Rakotonandrasana

Talen’ny Departemantan’ny Fifandraisana IOUC