Pénétration

Pénétration

Pasteur Patrick RaharisonFMSE2 juin 2021, 15:06

Isan’ireo Federasiona midadasika eto Madagasikara ny Federasiona Madagasikara Atsimo Atsinanana raha ireo Kaominina marobe izay mbola tsy misy fiangonana Advantista no resahana satria dia mbola 224 ireo kaominina mbola tsy tafiditry ny hafatra Advantista. Mbola mafy sy mitaky ezaka tokoa raha ny isa no jerena. Isan’ireo kaominina novakiana lay ary tato ho ato ny kaominina Ankarinarivo distrikan’Isandra Faritra Matsiatra ambony ka nahatafajoro ny Fiangonana Manovoriaka izay efa misy mambra 78 amin’izao fotoana izao. Tanora 100 avy ato amin’ny faritra Matsiatra ambony teo ho eo no namaky lay ny toerana tamin’ny herinandro farany tamin’ny taona 2020. Efa eo an-dalam-panamboarana ny tany hanorenana ny trano Fiangonana ireo mambra vaovao sy ireo tanora avy eto amin’ny distrika anankiroa an-tampon-tanàn’i Fianarantsoa (Fianarantsoa Atsinanana sy Andrefana). Raha somary mikisaka mianatsimo indray isika mahazo an’iny faritra Ihorombe iny, dia mahita ny kaominina Ranotsara distrikan’Iakora. Raha tsiahivina dia i Iakora no distrika farany nidiran’ny hafatra ary mbola Iakora no nisy fiangonana iray hatramin’izay fa ankehitriny dia efa manan-janaka izy dia Ranotsara izany. Tanora 50 avy ao amin’ny distrikan’ny Betroka sy Ihosy no nanatanteraka ny vaky lay tamin’ny 04 – 10 aprily 2020. Misy tany sy trano amidin’ny tompony 1 850 000ar ao izay efa azo ivavahana fa miandry fanohanana sy valim-bavaka avy amin’ny Tompo sisa. Batisa 8 no voaloham-bokatra tao Ranotsara ary ny fananganana club de foot no isan’ny paik’ady ampiasaina ankehitriny ary dia efa misy fanahy 6 indray izany zao vonona ao hatao batisa amin’ny sabata 29 Mai 2021 hoavy izao izay hialohavan’ny hetsika sosialy hanampiana ireo sahirana ao an-tanàna. Hisy koa ny kaoferansa hotanterahana raha toa ka mbola malalaka ny fahafaha-manao izany. Mila vavaka sy tolo-tànana ary fanoloran-tena tokoa ny asa famakiana koa dia isaorana manokana ny JA izay mikely aina fatratra manatanteraka izany.

Nisy ihany koa ny fanokafana asa fitoriana tao amin’ny kaominina Namorona izay nataon’ireo tanora avy ao amin’ny distrikan’i Mananjary ny volana Aprily lasa teo ka olona maro no tonga nanatrika ny kaoferansa ary mbola eo am-panohizana ny asa ny tanora ankehitriny. Mbola hitohy tsy ho ela ihany koa ny asa any.