Ny firaisan-tsaina, ny fiaraha-miasa

Ny firaisan-tsaina, ny fiaraha-miasa

Pasteur Jao Jean RénéFMN11 juin 2021, 16:30

Ny firaisantsaina, ny fiaraha-miasa; izany no hifampitondrana hamitana ny asa aty FMN. Ny fivorian’ny mpitandrina no nanombohanay ny asa tamin’ity taona 2021 ity. Navory ireo pastora sy ireo mpitondra fiangonana ary ireo diakona rehetra. Nojerena ifotony ny fomba fiasa ka nampiana manokana ireo mpitandrina miatrika olana any amin’ny distrika tsirairay avy izay misy azy.

Novangiana avokoa ny distrika rehetra. Tao anaty telo volana dia voavangian’ireo mpitantan’asa sy ireo talen’ny departemanta avokoa ny distrika rehetra tato amin’ny FMN. Nampiana ireo fiangonana manorina ny trano fivavahana. Voaofana daholo ireo mambra mba hanohana ny asa sy hitory ny filazantsara. Nitombo ny taha-pahatokian’ny fiangonana.

Ny fanafihana ny faritra Cap Est, Ankavia, Ankavanana any Antalaha no nampiavaka ny fitoriana filazantsara taty @ FMN. Notarihin’ny filoha FMN sy tale departemanta ASAFI ary GCV FMN sy IOUC dia niara-nientana ireo pastora sy ireo mambra mafana fo tany @ faritra SAVA nitory ny hafatra advantista. Tafiditra hatrany AMBALABE, AMBOHITRIHALANANA, SAHANTA ary MANAKAMBAHINY kaominina efatra izay any @ faritra SAVA izay anisan’ireo toerana mbola tsy misy fiangonanatsika ny hafatra advantista t@ ity taona ity. Toerana miisa 17O no niasana ka nametrahana mpamaky lay 13 manara-maso ny vokatra. Fanahy miisa 113, no voaloham-botra nanolotena t@ famaranana ny vakilay tany. Niezaka ihany koa ireo pastora taty @ faritra DIANA nanatontosa ny asa t@ ireo faritra izay nisy azy ireo. Isaorana ny Tompo fa batisa 1130 no tratra nandritran’ny telo volana voalohany taty @ faritra FMN.

Ny asa SOSIALY nataon’ireo vehivavy advantista talohan’ny 08 Mars, sy nataon’ireo tanora advantista t@ Global Youth Day: ny fizarana PPN, fizarana gazety boky advantista sy boky misionera, fanomezana ra, famangiana ireo zaza kamboty, no hetsika nentin’izireo nitoriany ny hafatra. Vokany, mbola maro be ihany koa ireo vokatra andrasantsika noho ireo hetsika rehetra ireo.

Eto am-pamaranana dia misaotra an’ Andriamanitra izahay ato @ FMN noho ireo ezaka kely vita ireo.

· Ento am-bavaka ny FMN mba ho lohany mandrakariva @ asa famonjem-panahy.

· Ento am-bavaka mba tsy hahasakana ny asa ny toe-javatra misy ankehitriny satria noho ny fiverenan’ny valan’aretina COVID-19 dia nohidina ny fiangonana ka naverina indray ny fanompoam-pivavahana isam-pianakaviana sy isaky ny TAMI ary ny fandaharana novokarina avy @ ireo radiontsika no hampaherezana ny mambra.

· Ento am-bavaka ny asa fitoriana vakilay any Antanibe Andrefana @ volana Jolay, ny OYIM Antsiranana @ volana Septambra,

Andriamanitra anie hitahy ny asany aty @ Federation Madagascar Nord.