Hetsika hita any @ FMNO

Hetsika hita any @ FMNO

Pasteur Razafindrakoto RoddyFMNO11 juin 2021, 16:23

Anisany sakana eo amin’ny fanoloran-tena amin’ny ranon’ny batisa ny tsy fisoratam-panambadiana. Manampitrotraka ny fahasarotana ireo fombafomba isankarazany izay miha mahazo vahana ankehitriny sy ny tsy fahampian’ny fiofanana, na fanamaivanana ny fiomanana mialoha ny fanambadiana, izay mampitombo ny isan’ireo olona tafalatsaka amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny herisetra amin’ny lafiny maro eo anivon’ny tokantrano.

Tsy mahagaga raha maro ankehitriny ny tokantrano misedra olana goavana sy mankadiry izay saro-bahana ka miafara amin’ny faharavan’ny tokantrano. Ny Federasiona Madagasikara Avaratra – Andrefana dia miezaka hatrany amin’ny alalan’ireo Pasitora sy ny mpitarika ary ny mambra ao aminy ny hamaha izany olana izany amin’ny fomba fiasan’i Kristy. Mitohy hatrany izany ezaka izany ary isaorana an’Andriamanitra satria azo tsapai-tanana ny vokatra. Kolosiana 4: 5; 1 Korintiana 3: 16 – 17; 1 Petera 4: 8; 1 Korintiana 7: 3 – 4:

Na dia eo aza ny fahamehana ara-pahasalamana vokatry ny valan’aretina COVID 19 dia mitohy hatrany ny famonjem-panahy amin’ny alalan’ny seminera tontosaina eo anivon’ny fianankaviana. Manampy tosika lehibe amin’izany ny fampaherezana maro sy ny fiofanana atao amin’ny alalan’ny tambazotram-pifandraisana, ary ny fandaharana omen’ny Radio OASIS Mahajanga sy ny Radio OASIS Besalampy. Eto dia sitrakay ny hisaotra manokana ireo rehetra izay nanome ny fotoany sy ny heriny ary ny fahaiza-manaony tamin’ny fanatontosana izany, satria tsy ny teto Mahajanga na Besalampy ihany no nanohina fa ny IOUC sy ireo mpiandraikitra ny tambazotram-pifandraisana ao aminy ihany koa. Matio 5: 15 - 16; Jaona 9: 4; Efesiana 5: 16.

Manohy hatrany ny fanatanterahana ny iraka nomena azy ny tanora JA eto amin’ny Federasiona Madagasikara Avaratra – Andrefana, eo ambanin’ny fitarihin’ireo mpitarika isantsokajy isam-piangonana sy ny fiahian’ireo Pasitoran’ny distrika izay misy azy avy. Samy miezaka manatsara ny fomba fiasa ny tompon’andraikitra tsirairay, indrindra ny amin’ny fanatevenana ny fianarana ny kilasim-pandrosoana sy ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny vaky lay. 2 Timoty 4: 2; Matio 3: 2; Marka 1: 15; Asan’ny Apostoly 3: 19; Asan’ny Apostoly 2: 38.

Niavaka ihany koa ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Mpisantatra satria samy niezaka ny nanao izay tsara indrindra vitany ny tanora isampiangonana. Tsy vitsy ireo tanora izay nanolo-tena ho amin’ny ranon’ny batisa notanterahina tamin’io andro manokana io. Samy nahatsapa avokoa ny tsirairay avy ny amin’ny ahasarobidin’ny fiahiana ireo zaza ireo noho izy ireo dimby sy fara, hoavin’ny fiangonana. Lioka 18: 16; Lioka 10: 21; Marka 10: 15; Matio 21: 16.

Mitsinjo antsika hatrany Jehovah (Joba 28: 24). Miantso ny fokon’ny firenen-tsamy hafa Izy ny hiverina ho aminy. (Salamo 22: 27). Na aiza na aiza toerana misy antsika dia miantso antsika Jehovah (Isaia 43: 6) ary milaza amintsika fa Izy no famonjena (Isaia 52: 10). Jehovah dia miantso antsika ho vavolombelony sy ho fahazavana (Asan’ny Apostoly 1: 8; 13: 47) satria iriany mba tsy hisy ho very izay rehetra mino azy. (Jaona 3: 15 - 16). Mamporisika antsika Jehovah ny hifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisintsika (1 Petera 4: 10), satria efa hitan’ny masontsika sy ren’ny sofintsika ny fahatanterahin’ny faminaniana ny amin’ny andro farany. Noho izany dia aoka isika hahonon-tena ho amin’ny fivavahana (1 Petera 4: 7).