Covid 19

Covid 19

Pasteur Herimanitra AndrianarivonyFMC16 juin 2021, 14:02

Fiatrehana ny valanaretina COVID 19 : navadika ho toera-pitsaboana ny fiangonana advantista tao Tanjonandriana ao amin’ny distrikan’i Tanjonandriana. Miisa 1050 ireo marary nisitraka fitsaboana.

Tao an-tokantranon’ny dokotera RAKOTONIAINA Pierre Richard mpino advantista no nanombohana ny fitsaboana ny COVID 19. Mifanila amin’ny trano fiangonana ny trano fonenany. Nanoloana ny firongatry ny valanaretina COVID 19 dia tsy ampy intsony ny toerana nandraisany ny marary. Voatery natao teo amin’ny tokontanim-piangonana ny fitsaboana rehefa nahazo alalana tamin’ireo komitin’ny fiangonana sy ny pastora filohan’ny distrika. Niakatra hatrany anefa ny isan’ireo marary ka voatery nampiasana ihany koa trano fiangonana sy ny trano fisainana nandraisana ireo marary. Taorian’ny tafa nifanaovana tamin’ity mpitsabo ity dia marary miisa 1050 no nisitraka fitsaboana tao. Fitsaboana narahana fampaherezana ara-panahy sy vavaka nentin’ireo loholona teo anivon’ny fiangonana no natao. Afapo tamin’ny fikarakarana sy ny fitsaboana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy ireo marary. Niditra an-tsehatra Andriamanitra. Sitrana ny 99% tamin’ireo marary.