Asa Fitoriana

Asa Fitoriana

Pasteur Arlain RazanakolonaFME10 juin 2021, 15:08

- Nanomboka tamin’ny volana May 2019 no nahazoana ny tari-dalana feno mikasika ny Fitoriana amin’ny Islamo eo anivon’ny Fiangonantsika, izay niarahana tamin’ireo mpanofana avy any amin’ny « Conférence Générale », notanterahina tao amin’ny « Université Adventiste Zurcher. » Nanomboka teo koa no nahatsapana fa tsy azo ihodivirana ity fihaikana atrehin’ny Fiangonana Advantista ity, dia ny hitory « Ilay Filazantsara Mandrakizay » ho « an’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena, ny fokom-pirenena, ny samihafa fiteny ary ny olona rehetra », ka anisan’izany ny mpino Islamo.

- Ezaka voalohany natao ary ny nandresy lahatra ny mambra rehetra fa tokony atsangana isam-piangonana sy isaky ny Distrika ny vondrona « AMR » ary hirosoana ny « Finamanana » amin’ireo namana Islamo.

- Nanomboka ny septambra 2019, hatramin’ny Febroary 2020 ; nitohy ny Oktobra 2020, hatramin’ny Marsa 2021 no nitetezana ny Distrika tato amin’ny F.M.E ho fanofanana mikasika ny fitoriana amin’ny Islamo sy ho fananganana ny vondron’ny mpitory amin’ny Islamo isaky ny Distrika sy Fiangonana amin’ny alalan’ny ministère « Adventist Muslim Relationship » ka amin’ny Distrika 25 izay misy ato amin’ny F.M.E dia Distrika 17 no efa voatsangana ny vondron’ny mpitory amin’ny Islamo.

- Tamin’ireo fotoana namangiana Distrika ireo no nahitana fa tena mitombona tsara ny hanova ny Islamo iray ho tonga mambra Advantista mafana tsara sy manara-dalàna mifanaraka amin’izay arahin’ny Fiangonana.

* Ireto Distrika ireto ary dia nisy mpino Islamo, lasa Advantista vita

Batisa, ary mahafinaritra tsara : - Mananara Avaratra : misy 3

- Sainte-Marie : misy 1

- Ambodipolomosy Brickaville : misy 7

- Ambatondrazaka : misy 1

* Izy ireo dia samy nanolo-tena avy hatrany niditra tao anatin’ny

vondron’ny mpitory amin’ny Islamo, mba hitaona ireo namana sy fianakaviana mbola tavela any. Mitohy ny fanetsehana ireo vondrona ireo sy ny fampitaovana azy ireo mba hampahomby ity asa ity. Manantena vokatra tsara Ilay Mpaniraka antsika.

Izy anie homba sy hitahy antsika indray mihoatra noho ny tamin’ny lasa ! AMEN !

Pasteur RAZANAKOLONA Arlain Armel.

Directeur EDS/MP/SCE COMMUNAUTAIRE FME